- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fandrobana, jiolahy iray maty voatifitra, 4 voasambotra

Toamasina : Fandrobana, jiolahy iray maty voatifitra, 4 voasambotra

Teo anoloan’io fivarotana saika ho robaina io no voatifitra ilay jiolahy.
Teo anoloan’io fivarotana saika ho robaina io no voatifitra ilay jiolahy.

Toa tsy milamina ny any an-toerana amin’izao fotoana izao. Saika isaky ny herinandro andrenesana asan-jiolahy foana

Ny asabotsy lasa teo, tokony ho tany amin’ny 4 ora tany ho any, tonga nanafika fivarotana iray teny Ankirihiry Toamasina, ny andian-jiolahy nirongo basy voalaza fa miisa hatrany amin’ny fito any. Tonga teny koa anefa ny polisy avy ao amin’ny UIR ary tamin’izany no nahavoatifitra ny jiolahy iray. Voa teo amin’ny lohany ilay izy ary maty teo no ho eo. Izany Jean Claude izany no anarany.

Ny loharanom-baovao avy any an-toerana no nahafantarana fa basy lava sy PA no teny an-tanan’ireo mpanafika. Rehefa teo amin’ilay fivarotana ry zalahy, ny sasany nandeha niditra toa anatiny, ny iray kosa nijanona teny ivelany. Ity teo ivelany ity ilay voatifitra. Nanana basy PA izy, hoy hatrany ny vaovao ary toa napoakany izany. Tetsy andaniny, raha vao niseho ny fandrobana dia efa nisy olona niantso ny mpitandro filaminana. Tsy ela dia tonga izy ireo. Taitra tamin’ny fahatongavan’ireo polisy angamba ilay tsy niditra ny tsena, ka saika hifanandrina taminy. Tamin’izay no nahavoa azy. Ireo tao anatiny kosa, raha vao nahare ny feom-basy dia nitady lalana handosirana. Nitohy tsy nijanona anefa ny tifitra tamin’izay ka nisy iray voa teo amin’ny tongony. Afaka nitsoaka ihany anefa izy io, hoy hatrany ny vaovao voaray. Nisy efatra kosa tsy afaka niala fa dia nosamborina teo. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Tsy mbola nahazo na inona na inona ireto mpangalatra ireto.

Voalaza fa tsy milamina mihitsy ny ao Toamasina ao amin’izao fotoana izao. Ankoatra izao fanafihan-jiolahy izao mantsy, nisy ihany koa andian-jatovo voasambotra noho ny fivarotana menaka rongony. Miandahy miambavy izy ireo manao izany zavatra izany.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser