- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina - Fankalazana ny faha-55 ny polisim-pirenena : Nisy ny hazakazaka 05km...

Toamasina – Fankalazana ny faha-55 ny polisim-pirenena : Nisy ny hazakazaka 05km niarahan’ireo polisy

Taorian’ny fanokafana ny fankalazana ny faha-55 taona ny nijoroan’ny polisim-pirenena taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena tamin’ny lalao basket-ball, dia nitohy tamin’ny hazakazaka lavitr’ezaka  05km izany, ny sabotsy maraina teo, izay niarahan’ireo polisy rehetra tao Toamasina.

Niainga teo amin’ny tale provensialin’ ny filaminam-bahoaka izany ary nifarana teo anoloan’ny Faritra atsinanana araben’ny fahaleovantena, raha avy nitety lalana maromaro tao Toamasina. “Tsy fifaninana no nataonay teo fa fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fankalazana ny nijoroanay 55 taona lasa izany, ka ireo mety tsy afaka noho ny fahasalamana sy ny toe-batana ary ny fahanterana dia afaka miala an-daharana, saingy tsy maintsy manome voninahitra ireo mahavita ny hazakazaka hatramin’ny farany”, izay no nambaran’ny kaomisera tompon’andraikitry ny hetsika ara-panatanjahantena amin’izao fankalazana ataon’izy ireo izao. Nomarihany ihany koa, fa ny firaisampo sy ny fiarahana ary ny fifankahalalana no tena tanjona amin’izao hetsika ataon’izy ireo ireo, fa tsy ny hifaninanana akory.

Isany nandray anjara ary tonga hatramin’ny farany ny tale provensialin’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina, ireo kaomisera sy kaomisera lefitra raha nisy iray kosa no tsy tonga noho ny aretina nahazo azy. Polisy vavy sy lahy  ny 90 teo ho eo no nandray anjara tamin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici