Tovovavy tokony ho eo amin’ny 19 taona, araka ny tombana nomen’ny dokotera misahana ny fahasalamana sy fahadiovana eo anivon’ny kaominina nijery ny raharaha, no hita teo amoron-dranomasin’ny lycee Rabemananjara ao amin’ny fokontan’i Salazamay Toamasina, ny zoma 30 oktobra lasa teo. Ireo mpanjono nandeha nanarato vao maraina no nahita azy nitsingevena tao anaty ranomasina, ka izy ireo no nisarika izany nanatona ny moron-dranomasina. Efa simba be ity fatina tovovavy hita ity, indrindra ny lohany sy ny tarehiny, ka tsy nisy namantarana azy intsony, satria tsy hita tany aminy ihany koa mombamomba azy, afa-tsy ny lokon’ny akanjony sisa. Raha ny voalazan’ny mpitsabo nijery ny razana dia tombanana ho novonoina ity tovovavy ity, satria nahitana ratra izay tsy vokatry ny kaikitry ny trondro na foza na biby hafa ny vatany; voalaza hatrany hatrany fa misy diana tady toa ireny nokendaina ireny ny tendany ary misy faritra lavaka eo amin’ny vatany. Tombanana aloha fa tsy nanodidina ny lycee Rabemanjara no namonoana azy fa lavitra teo, matoa misy fahasimbana toy izao ny vatany, saingy nentin-dranomasina teo, amin’ity faritra nahitana azy ity. Miteraka fitaintainana amin’ireo mponina manodidina sy ny tompon’andraikitry ny lycee ny zava-misy, ka nanentanan’izy ireo ny mpitandro ny filaminana mba hanao fanaraha-maso akaiky ny manodidina ny lycee, fa tsy kely lalana ny ratsy.
Malala Didier