Nisehoan’ny tranga nampihaihay tao amin’ny fokontany depot IV ny faran’ny herinandro lasa teo. Lasa mirongatra indray mantsy ny fahitana razana natsingevan’ny ranomasina, nefa ity fokontany dépôt IV ity miampy ny fokontany Betainaomby, dia voasokajin’ny mpitandro ny filaminana ho faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Raha ny tombana nataon’ny dokotera nizaha ny razana sy ny angom-baovao natao teny an-toerana mikasika ireto razana roa hita an-dranomasina ireto, dia vono olona niniana natao ity faty olona natsingevan’ny ranomasina ity. Saika nahitana faritra mangana teo amin’ny tendany. Midika izany fa nisy nanakenda izy. Nahitana faritra tomboka antsy ny vatany ho an’ilay hafa. Ny faty iray hafa kosa dia nisy namatotra ny tongony aman-tanany. Ankoatra izay dia mariky ny tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina renivohitra sy ny manodidina ny tranga miseho toy izao. Ny tena nahavariana tamin’ireto faty telo, sy ilay rangahy matin’ny lozam-pifamoivoizana teo akaikin’ny banky foiben’i Madagasikara dia tsy misy fianakaviana naka izy ireo, ka voatery tsy maintsy nalevin’ny kaominina tamin’ny alalan’ny BMH amin’ny fasana iombonana. Ny anton’izany moa dia ny fahasimban’ireto razana be loatra.
Malala Didier