- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Feno ady tany ao Tsarakofafa–Tanandava

Toamasina : Feno ady tany ao Tsarakofafa–Tanandava

Isan’ny  tanàna tsy hialàna ady tany nanomboka ny tetezamita no mankaty ny ao Tsarakofafa – Tanandava Toamasina suburbaine. Saika ny ady tany ao amin’ity tanana ity no mameno ny roa am-pahatelon’ny antintan-taratasim-pitsara mikasika ny ady tany eo anivon’ny fitsarana ady madio ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina. Isan’ny hiaran’izany ady tany izany ny olona iray izay manana tany efa vita titra ny taona 2000. Nanomboka ny taona 2015 anefa no nakana orinasa iray tao Tsarakofafa – Tanandava. Nandritra ny fanalan’ity orinasa ity ireo olona nidongy ny taniny izay nitondran’ny tale jeneralin’ilay orinasa vadintany ny taona 2015 io, dia isany nangalarin’ity orinasa ity ny ampahan-tany izay niteraka olana teo aminy sy ny tale jeneraly. Ny tena mahagaga an’ity raim-pianakaviana ity dia miisa 44 ireo fianakaviana manana tany mifanila amin’ity tanin’ilay orinasa ity, nefa ny azy ihany no nandrombinan’ity orinasa ity tany; ireo mpiasa eo anivon’ity orinasa ity anefa efa tsy gaga raha nahare ity raharaha ity noho ny voalaza fa toetran’ity mpitantana ity tia manao fanararaotam-pahefana hananany. Miezaka mifampiresaka amin’ity tale jeneralin’ity orinasa ity hatrany ilay tompon-tany lasibatra, nefa izy manana ny marina indray no tratran’ny didin’ny be sandry. Na dia nihaiky ny lesoka nisy, nandritra ny fandroahana olona teny ka naha-tafiditra ny tanin’ity raim-pianakaviana ity aza ilay vadintany nanao ny fandroahana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici