- Publicité SW45 -
vendredi, février 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fetim-pirenena malagasy : Tsy mbola rototra amin’ny fananganan-tsaina ny olona sy...

Toamasina : Fetim-pirenena malagasy : Tsy mbola rototra amin’ny fananganan-tsaina ny olona sy ireo biraom-panjakana

Efa tokony nanomboka tamin’iny herinandro nivalona iny ny fotoana fananganan-tsaina ho an’ny vahoaka malagasy sy ireo biraom-panjakana, amin’ireo ho fiatrehantsika ny fetim-pirenena izao. Ny lohahevitry ny fankalazana rahateo dia ny hoe « fetin’ny fahaleovan-tena, Malagasy aho, tia fampandrosoana, tia tanindrazana » ; nefa raha ny zava-misy eto Toamasina dia tsy mbola rototra amin’izany fananganan-tsaina izany ny isan-tokantrano sy ireo biraom-panjakana. Ireo mpivarotra ny sainam-pirenena mameno ny araben’ny fahaleovan-tena sy ny tsena ihany izao no maro hatreto. Raha ny vidin’ireo saina amidy mandehandeha eran’ny tanana indray dia manodidina ny 5.000 ariary hatramin’ny 15.000 ariary izany, arakaraka ny habeny sy haingo hita eo aminy. Io vidiny io no ambaran’ireo tokantrano nanontaniana ho antony, ka miandry ny fandraisam-bola alohan’ny 26 jona izao izy ireo vao hividy izany. Ireo mpivarotra ny sainam-pirenena koa nilaza fa mbola tsy mandeha ny famarotan’izy ireo ny saina, satria manodidina ny 03 isan’andro eo no lafon’izy ireo amin’izao, raha mahatratra am-polony izany raha miha-manakaiky ny fankalazana ny fetim-pirenena. Ankoatra izany dia miandry ny fandaminana sy ny fanapahan’ny governemanta ny hetsika hatao isam-paritra, ka isan’iza ny ny eto Toamasina. Ny hany mbola fantatra izao dia hatao ny 25 jona maraina ny fametrahana ireo mariboninahitra ho an’ireo olona nahazo izany. Hatao ny alin’ny 25 jona ihany koa amin’ny ora mahazatra ny fanapoahana ny afomanga, ary hisy ny hetsika ara-javakanto hatao eny amoron-dranomasin’i Toamasina herinandro mialoha ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena, izay harahan’ny alim-pandihizam-bahoaka ihany koa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici