- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fetin’ny faran’ny taona, olona 85 naiditra hôpitaly, roa toran’ny toaka,...

Toamasina : Fetin’ny faran’ny taona, olona 85 naiditra hôpitaly, roa toran’ny toaka, iray namono tena

Tao anatin’ny oram-be no namaranana ny taona sy nitsenana ny taona vaovao teto Toamasina. saika feno rano niandrona vokatr’izany ny areba sy ireo faritra iva rehetra, saingy tsy nanakana ny olona nanao fety nitsenana ny taona vaovao 2018 izany. “Tsy maintsy mifety izahay, fa tena mafy iny taona lasa iny ka aleo atao veloma any, ka tsenaina amin’ny fifaliana ny taona vaovao mba hitondra vokatra tsara indray”, izay no nambaran’ireo andiana tovolahy nifety tao anaty orana nilaza ny heviny. Raha ny fanazavan’ireo mpitsabo misahana ny vonjy taitran’ny hopitaly ben’i Toamasina, dia nisy fihenana ny isan’ny olona niditra teo anivon’izy ireo tamin’ity taona ity, izany dia vokatry ny fiavian’ny oram-be ka nahavitsy ny olona namonjy efitrano filanonana samihafa, izay saika nanodidina ny 100.000 ariary hatramin’ny 150.000 ariary avokoa ireo naka mpanan-kanto malaza. Ny alahady teo sy ny alatsinain’ny taona vaovao dia  85 ireo nandalo teo anivon’ireo mpitrsabo ny vonjy taitran’ny hopitaly be, ny 63 tamin’izay tsy maintsy nampidirina hopitaly noho ny fahamafisan’ny fahavoazana, ankoatra ireo lozam-pifamoivoizana 7 sy ny ady vokatry ny fiakaran’ny alikaola 9, dia teo koa ireo narary vokatry ny tosidrà sy ny tazomoka. Teo koa ireto tovolahy roa toran’ny toaka izay nivoaka ny hopitaly ihany taorian’ny fitsaboana natao azy ireo, na izany dia nisy tovovavy iray koa namono tena noho ny resa-pitiavana avotra taorian’ny fitsaboana azy izay nitranga, ny sabotsy 30 desambra 2017 lasa teo. Tao anatin’iny famaranana taona sy ny taona vaovao izao, dia nisy olona telo maty. Ny iray dia tovolahy 20 taona maty voatifitry ny polisy ny zoma 29 desambra lasa iny taorian’ny fanendahana nataony raha efa-dahy izy ireo no nifanenjehan’ny polisy tamin’izao, tao Ambolomadinika. Nisy koa zazalahy 12 taona maty noho ny aretina nahazo azy izay maty an-dàlana raha niezaka nitondra azy hotsaboina teo anivon’ny hopitaly be ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany. Ny alatsinainy alina hifoha talata teo, dia ramatoa iray tokony ho 40 taona eo no hita faty nivalampatra teo amoron-dranomasin’ny Lycee Jacques Rabemananjara, tsy lavitry ny tobin’ny miaramila. Tsy nisy ratra ny vatany, fa nisy ranon’ivy be nivoaka ny vavany izay noheverina fa mety ho toran’ny toaka tratry ny hatsiaka, noho ny orana tsy tapitra avy teto Toamasina no nahafaty azy raha ny fanazavana. Tamin’ny ankapobey anefa, dia nilamina ny fankalazana ny taona vaovao teto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici