- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fikasana hanolana an-janany, heritaina sazy mihantona

Toamasina : Fikasana hanolana an-janany, heritaina sazy mihantona

Niakatra fitsarana ady heloka teo anivon’ny Fitsarana ambony amin’izao andiany voalohany ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina izao, ny raharaha mahakasika ny fikasan’Ingahy Roger De Marquise 36 taona nanao firaisana ara-nofo tamin-janany vao 06 taona monja, ny alin’ny 22 jolay 2014. Sazy am-ponja atao sazy mihantona mandritra ny herintaona no navoakan’ny fitsarana ady heloka ho azy.

Nandritra ny fotoana nitsarana ny antontan-taratasin’ady fanenjehana azy ho nikasa hanolana an-janany io no nahalalana, fa nanaisotra ny fitoriana am-badiny Rtoa Rasoandry Rosiane, noho ny tahony hisaraham-badiny. Araka ny fanazavany teo anoloan’ny fitsarana fa ho fiarovany ny maha-rain-janany azy no nahatonga azy nanao izany. Ho an’ity raim-pianakaviana saika hanolanana ny zanany vavy ity kosa, dia ny resaka fahamamoana no nahatonga azy saika hahavita nalonana an-janany izao. Araka ny nambarany dia mamon’ny toaka sy rongony izy tamin’io fotoana io, nangataka hanao firaisana ara-nofo tamin’ny vadiny ary nanaiky ity farany. Tsy afa-po tamin’izany ity rangahy fa mbola nangataka fanindroany indray, teo anefa tsy nanaiky intsony ny vadiny ka tezitra tamin’izany izy dia nifindra fandriana teo amin’ny zanany vavy 06 taona. Araka ny fanazavan’Ingahy Roger De Marquise ihany, dia mbola noheveriny fa vadiny no teo akaikiny, ka nanomboka nanafosafo an-janany izy. Nikiakiaka vokatra izany ilay zazavavy kely ka teo vao taitra ny rehetra. Nambarany hatrany fa tsy nitanjaka izy nandritra izany, teo anefa vao niverina ny sainy fa saika zava-doza no vitany noho ny toaka sy rongony.

Noho ireo antony ireo no nahatonga ny fitsarana ady heloka Toamasina nanome ilay sazy fananarana ho azy, dia ny sazy herintaona am-ponja atao sazy mihantona. Tonga dia afaka avy hatrany Ingahy Roger De Marquise noho izy efa nahavita herintaona sy roa volana am-ponja tamin’ny nahazoany “MD”.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici