- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Frantsay nanjavona tamin’ny 1996, karohin’ny vadiny malagasy

Toamasina : Frantsay nanjavona tamin’ny 1996, karohin’ny vadiny malagasy

21 taona aty aoriana, mbola tsy kivy ny vadiny mitady azy.

Ny 19 septambra 1996, no niala tao an-tranony tao Ambolomadinika, fa hoe ho any Mahajanga hivarotra sy hitady vatosoa ary merkiora, ity tera-tany frantsay antsoina hoe Ferdinand Edmond Baba na Levazaha ity. Teo amin’ny 33 taona izy tamin’izay ary ny vadiny Rtoa Nivo Marie Gabrielle sy ny zanany 3 mianadahy izay 6 taona sy 4 taona ary 18 volana, no nanatitra tamin’izany fotoana izany.

Teo amin’ny “gare routiere” Tanambao V Toamasina no nahitan’izy ireo azy farany, satria nanomboka teo dia tsy hita popoka sy tsy nahenoam-baovao intsony ny nisy an’i Levazaha izay hoe ho any Mahajanga. Nanomboka teo dia, tsy mitsahatra manao fanambarana amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny onjam-peo manerana ny Nosy ny vady aman-janany amin’ny fikarohana azy, 21 taona aty aoriana anefa tsy nisy valiny izany, nefa milaza ho tsy kivy amin’ny fikarohana azy hatrany Rtoa Nivo vadiny satria te-hahalala ny marina mikasika ity teratany frantsay vady mariaziny ity. Ankehitriny dia 29 taona ny lahimatoany, 27 taona ny vavimatoa, ary 24 taona ny faralahy amin’ny zanaky Levazaha sy Nivo, izay efa mipetraka sy mianatra any Frantsa ary manohy ny fikarohana azy ihany koa. Izay indrindra no nahatongavan’izy 3 mianadahy teto Madagasikara ny volana desambra sy janoary teo, nefa mbola tsy nahitam-bokany izany fikarohana izany, ka nahatonga an-dRtoa Nivo Marie Gabrielle mbola namerina hatrany ny filazana fikarohana am-badiny fanaony isan-taona teo anivon’ny zandarimariam-pirenena teto Toamasina mba entina haparitaka eran’ny Nosy. Koa ho an’ireo olona mety mahita an’i Ferdinand Edmond Baba na i Levazaha na mahalala ny mety ho nanjo azy ihany koa, dia iaingavian’izy ireo hampandre haingana ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra, na hiantso maika ny vady aman-janany amin’ny laharana 032 04 962 66…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici