- Publicité SW45 -
lundi, juillet 1, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina: Gadra manao fanafihana mitam-piadiana

Toamasina: Gadra manao fanafihana mitam-piadiana

Vola saika hanefana ny karaman’ny mpiasa no lasan’ny jiolahy mitam-basy. Efa-dahy izy ireo no tompon’andraikitra tamin’izany raha araka ny vaovao azo tany an-toerana. Orinasa misahana fiambenana izay ao Tanamakoa no misy ny biraony ity lasibatra ity, ny zoma tokony ho tamin’ny sivy ora latsaka. Teo am-bavahadin’ny fiasana mihitsy no nandrasan’ireo olon-dratsy ilay olona nitondra ny vola vao avy nalaina tany amin’ny banky. Nandeha moto ilay lehilahy ary torak’izany ihany koa ireo jiolahy. Nosakanan’ireo tampoka ny lalana raha vao hiditra ao amin’ilay toeram-piasana. Ny roa nitazona ary ny roa hafa nanambana basy azy. Poa toa izay dia lasa ny vola tao anaty sakaosy izay karaman’ny mpiasa. Koa satria fiambenana no asan’ilay orinasa, mba nalefa nanaraka ihany ny olona tao aminy ary nampandrenesina ihany koa ny pôlisy. Raikitra ny fifanenjehana eran’ny tanàna ka tao Morarano no tena nirefotra ny basy. Tao mantsy no niery ireo olon-dratsy. Voasambotra ihany rehefa nifanjevo teo. Fantatra fa olona mbola tokony hotazomina am-ponja izy ireo. Malama sy Jean Charles no fiantso ireo roalahy. Manana basy revolver sy PA ary bala 11 isa ireto jiolahy amin’ny fanatontosana ny asany. Nomarihan’ny pôlisy fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana sinoa sy fanafihana hafa tao Toamasina. Nisy mpitandro ny filaminana izay niantso tany amin’ny biraon’ny pôlisy raha vao azo ireo jiolahy. Izy io dia nitady fifanarahana ny momba ny hamerenana ny basy, raha araka ny vaovao avy amin’ny pôlisy hatrany. Izany rehetra izany dia efa manazava tsikelikely ny mety ho fandehan’ny raharaha : alefa mandroba ny gadra dia misy mpitandro ny filaminana manome basy. Heverina fa ho zava-dehibe ny mety havoakan’ny fanadihadian’ny pôlisy momba ity raharaha ity.

 

D.R  

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser