- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : “Garagiste” voarohirohy amin’ny halatra fiara “rav4”

Toamasina : “Garagiste” voarohirohy amin’ny halatra fiara “rav4”

Seho tsy mpitranga ao Toamasina, no nahazo an’ity rangahy iray tonga nanamboatra ny fiarany tao amin’ny « garagiste » ao Toamasina ity, omaly maraina.

Raha tonga hanamboatra ny « retroviseur »-n’ny fiarany simba tao amin’ity garazy ity izy, io omaly maraina io, dia nahazo toky fa afaka ora iray miverina fa vita ny fanamboarana ny simba tamin’ny fiarany. Kanjo raha niverina izy, dia sady tsy hitany teo amin’ny toerana nametrahana sy hoe nanamboarana azy ilay fiara, no sady tsy azo tamin’ny findainy ilay « garagiste », ary ireo olona manodidina misy ilay garazy milaza fa samy tsy nisy nahatsikaritra izany fiara  nampanamboarina fitaratra teo izany. Nitory teny amin’ny polisy ny tompon’ny fiara, raikitra avy hatrany ihany koa ny fikarohana rehetra mikasika azy. Tratra tao Tanamakoa tsy lavitra loatra ilay toerana nanamboarana ilay fiara ihany ity « Rav4 », izay teo am-panafenana azy tao anaty fefin’ny sakaizany ilay tovolahy « garagiste ».

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici