Vokatry ny fizarana herinaratra amin’ny manodidina, misy mihitsy ny miampita rano sy tatatra amin’izany, tahaka ity nitranga tao Tsararivotra Toamasina ity ka nahafaty rangahibe 61 taona niambina ny ombiny ny alahady 04 oktobra teo tokony tamin’ny 10 ora maraina.
Raha ny fanazavana azo dia nandroaka ny ombiny niampita tatatra ity rangahy be 61 taona ity. Nandritra izay dia niraikitra tao anatin’ilay rano ny tadin’ombiny iray. Teo am-pakana ilay tadin’ilay omby anefa izy no tsy nahazo ny tokony ho izy ary naharay ilay taribin-jiro. Izy moa tao anaty rano ka mora tamin’ny taribin’jiro misy herinaratra voasintony no nanaikitra azy, ka maty avy hatrany noho ny fijanonan’ny fony tampoka. Nahita ity rangahibe maty nitsitra tao anaty rano vao taitra ny mpiara-monina ka niezaka namono ny herinaratra aloha ary namonjy azy, saingy tsy nisy intsony ny azo natao taminy. Nidina nijery ny zava-nisy ny Jirama ary avy hatrany dia nanasazy ny tompon-trano, ka nanala ny kaontera tao aminy miampy ny sazy mifanaraka amin’ny fotoana nivarotany herinaratra tsy ara-dalàna izao. Tsy sambany ny toy izao tranga tao Tsararivotra izao hoy ny Jirama, saingy ity tranga ity no niteraka faty olona, raha fahamaizan-trano sy tanàna foana no hita hatramin’izay.
Isan’ny ady ataon’ny ekipan’ny Jirama Toamasina ny fanenjehana ireo mpangalatra herinaratra ireo. Efa betsaka ny tratra, an-jatony, nefa mbola betsaka noho izany koa ireo manao, ary misy mihitsy no mivelona amin’izany. Ny olana dia ny tsy fisian’ny kaontera eo anivon’ny Jirama, sy ny fahataran’ny valin’ny fangatahana ataon’ny mpanjifa, efa misy an-taonany maro, mila kaontera.
Malala Didier