Ny talata 29 novambra teo no niakatra fitsarana ilay raharaha halatra sy fidirana tao anaty tanin’olona manan-tompo tao Belambo Toamasina II, izay nisamborana an’ingahy Alphonse raha namoahana didy fikarohana sy tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara ary niandry ny fitsarana azy am-ponja. Nandritra ny adin’ny 3 ny fitsarana izay tapaka 20min noho ny fihetsika tsy nety tao anatin’ny lapam-pitsarana nataon’ireo mpiara-dia tamin’ingahy Alphonse, ka nandraisan’ny mpitsara ny raharaha namoaka ny mpanatrika rehetra izay nahatonga ny fitsarana ny raharaha natao tao anatin’ny efitrano mihidy manokana. Nisy ihany koa ny fiantsoana mpitandro ny filaminana nisahana ny filaminana ivelany sy tao anatin’ny lapam-pitsarana nandritra izany. Samy niezaka niaro ny heviny na ireo efatra mianadahy voarohirohy notarihan’i Alphonse, sy ny tompon-tany amin’ny taratasy ara-dalàna teo am-pelan-tanany, ary ireo mpiaro azy ireo avy nandritra izany. Ny fanapahan-kevitry ny mpitsara anefa noho ny raharaha sarotra sy mila fandinihana akaiky, dia anio alakamisy no hamoaka ny didim-pitsara ny tenany.
Malala Didier