- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina I : Fiangonana anglikana : Niakatra fitsarana ady heloka Ilay fanodinkodinam-bola...

Toamasina I : Fiangonana anglikana : Niakatra fitsarana ady heloka Ilay fanodinkodinam-bola 218 tapitrisa ariary

Notanterahina tamin’ny alatsinainy ny fitsarana ady heloka be vava tsotra ny raharaha fanodinkodinam-bola 218 tapitrisa ariary teo anivon’ny fiangonana Anglikana Toamasina. Tonga avokoa ireo presibitera telo mirahalahy mpitory, sy ny eveka Mgr Solo Jean Paul, izay voalaza fa tompon’antoka, sy ireo mpitam-bola sy ny mpikamban’ny biraon’ny fiangonana telo mianadahy mpiray tsikombakomba.

Resa-bola 218 tapitrisa ariary. Nandritra ny adiny efatra sy sasany no nitsarana ity raharaha ka nahagaga ny maro nanatrika ny fitsarana ady heloka be vava tsotra omaly maraina ity. Resaka fanodinkodinam-bolam-piangonana voalazan’ny taratasim-pitoriana fa nahatratra 218 tapitrisa ariary, tao anatin’ny taona 1999 hatramin’ny 2011, nataon’ny eveka. Tafiditra tao anatin’izany ny tsy fandraisana karama teo amin’ireo presibitera miasa amin’ireo distrika 12 misy ny anglikana eto Toamasina, sy ny tsy fandoavana ny volan’ny fisotroan-dronono ho azy ireo tao anatin’ny 12 taona. Voalaza anefa fa misy hatrany tao anatin’izany ny tatitry ny synoda mikasika ny resa-bola miasa sy azo ary ny tetibola.

Nampiatoina. Efa nanomboka tamin’ny taona 2011 no nifanolana teo anivon’ny fitsarana ireto mpitarika fiangonana teo anivon’ny finoana Anglika ireto. Noho ny olana anefa, tamin’izay, dia nisy ny fampiatoana azy ireo avy ka isan’ny nahazo ilay fampiatoana 18 volana tamin’ny asany koa ny eveka Mgr Solo Jean Paul. Efa niezaka nandamina ny raharaha tamin’ny fanaovana ny fitsarana ekleziastika ny fiangonana, ka ny arseveka avy ao Maurice mihitsy no nitarika izany, izay miahy an’i Madagasikara, nefa izao mbola tonga teny amin’ny fitsarana ady heloka izao ihany ny raharaha, na efa nanafaka ny eveka Mgr Solo Jean Paul aza ireo eveka nandritra io ny fitsaram-piangonana Anglikana io.

Eveka voalohany niakatra fitsarana. Efa ho 152 taona izao no nisian’ny finoana Anglikana teto Madagasikara. Nandritra izany anefa dia efa an-jatony koa ireo eveka nitantana ny synodan’i Toamasina, saingy ny eveka Mgr Solo Jean Paul 16 taona naha-eveka, no niakatra fitsarana sy nampiatoina tamin’ny asany voalohany. Tsy vitan’izao raharaha izao ihany anefa no niakarany fitsarana, fa teo koa ny fifanolanany teo aloha tamina presibitera iray sy ny mpamily ny fiaran’ny fiangonana. Mbola miandry azy koa anefa ny raharaha fanakatonana ny fiangonana ao Soanierana Ivongo, sy ny fiangonana ao Salazamay, ary ilay resa-bola fanampiana 25.000 “livre sterling” avy any Angletera.

Raharaham-piangonana anefa ny zava-nisy, nisy tsy nety koa tamin’ny paikadim-pitoriana, izay tokony ho ny synoda no nanao izany, ka noafahana noho ny fisalasalana ny eveka Mgr Solo Jean Paul sy ireo mpitam-bolan’ny fiangonana niara-notsaraina taminy. Afaka madiodio kosa ny iray tamin’ny fanalam-baraka; ary tsy noraisin’ny fitsarana ihany koa ny onitra 316 tapitrisa ariary nangatahan’ny mpitory.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici