- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina I : Jiolahy nirongo « kalach » nanafika tokantrano, olona iray...

Toamasina I : Jiolahy nirongo « kalach » nanafika tokantrano, olona iray maty voatifitra

Ny talata 30 janoary nifoha ny alarobia 31 janoary tokony tamin’ny 01 ora maraina, dia nitrangana fanafihan-jiolahy nitondra kalaky tao amin’ity tokantrano iray ao Ambolomadinika, izay ny renim-pianakaviana sy ireo zanany ihany no tao an-trano, miasa any Breville ny raim-pianakaviana. Raha ny fanazavana azo dia nandondona toy ny olona rehetra miditra tranon’olona ireto andian-jiolahy telo nitondra kalaky ireto nefa niaraka tamin’ny fandrahonana ny hanokafan’ny tao an-trano ny varavarana. Noho ny tahotra tamin’ny fandrahonana azon’izy ireo dia nanokatra trano ilay raim-pianakaviana ka avy hatrany dia nambanan’ilay iray nitondra kalaky basy ny lohany. Tao anatin’izay dia nanararaotra naka ilay fahitalavitra “ecran plat” sy ireo zava-maneno tao an-trano samy hafa ary nikaroka ny vola tao an-tranon’ity fianakaviana ity koa ny roa. Tsy zakan’izy ireo anefa ireto entana nangalariny ireo ka nataon’izy ireo takalon’aina nitondra izany ilay raim-pianakaviana izay mbola tsy hita ny misy azy hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Vao lasa anefa ireto andian-jiolahy telo nitondra kalaky ireto dia niantso vonjy ny tao an-trano nitrangan’ilay fanafihana, naheno izany ny tao amin’ny trano mifanila amin’izy ireo dia nivoaka mba hamonjy, saingy vao nanokatra varavarana ity tovolahy vao 18 taona dia notsenain’ireto andian-jiolahy tamin’ny tifitra. Voa teo amin’ny tanany havia ilay tovolahy saingy somary nirirana ny fahavoazana nahazo azy ka nahazo ny fony; raha nahita an-janany voatifitra ihany koa ilay renim-pianakaviana dia nivoaka namonjy azy, saingy voatifitra ihany koa saingy teo amin’ny tongony kosa. Niezaka namonjy hopitaly nitondra an-janany ilay renim-pianakaviana na efa voatifitra aza, saingy tonga teny amin’ny hopitalibe ,na nanao ny ezaka rehetra aza ny mpitsabo dia maty ity tovolahy ity. Avy hatrany dia notsaboin’ireo mpitsabo ity renim-pianakaviana ity izay nandalo fandidiana omaly ihany. Omaly mairaim-be ihany dia efa nanao ny fanadihadiana rehetra ny mpitandro ny filaminana saingy  tsy mbola nahitam-bokatra ny fikarohana nataon’izy ireo eran’ny tanana. Na izany aza dia efa manana vaovao mikasika ireto andian-jiolahy manafika tranon’olona amin’ny basy kalaky ireto ny polisy izao; efa eo am-pelatanan’izy ireo ihany koa ny ambin’ilay bala nahafaty ilay tovolahy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici