- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina I : Lasa ny vola ar. 8.000.000, voatifitra teo amin’ny tanany...

Toamasina I : Lasa ny vola ar. 8.000.000, voatifitra teo amin’ny tanany sy ny kibony ilay karàna

Raha nangingina ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo andian-jiolahy mpitaingina moto teto Toamasina renivohitra, izay nampitaintainta lava ireo tranom-barotra sy ireo orinasa misahana ny ara-bola, ary ireo olona mpikirakira vola, dia niverina indray izany nanomboka omaly maraina.

Firaisana tsikombakomba. Tera-tany karàna iray avy any Inde antsoina hoe Berender Akoumar Mohamed 32 taona, mpividy fatim-by sy mpanondrana izany any ivelany izay niaraka tamin’ny tera-tany malagasy mpiasa ao aminy, nanao taingin-droa tamin’ny môtô “honda 125” no tratran’ny fanafihana mitam-piadian’ireo andian-jiolahy omaly maraina tokony tamin’ny 08ora teo, makaiky ny sekoly Notre Dame de Lourdes (NDL) Anjoma. Handeha hanatitra vola amin’ny banky vao maraina izy nandritra izany, mitentina 8.000.000 ariary sy taratasim-bola maromaro amin’ny anarany. Raha nizotra tsara ny dia niala tao Anjoma ihany dia nasain’ilay mpiasa niaraka taminy nijanona izy vao tonga teo amin’ilay mpivarotra akondro manakaiky ny sekoly NDL. Vao nijanona anefa izy ireo dia tonga ireto andian-jiolahy roa nitaingina moto avy hatrany dia nitifitra ilay tera-tany karàna, ka nahavoa azy teo amin’ny fela-tanany havanana izay niditra teo amin’ny fanambanin’ny kibony ny bala avy eo. Lasan’ireo jiolahy ny vola be, ilay karàna kosa nentina nanomjy hopitaly be notsaboina, ilay tera-tany malagasy niara-dia taminy kosa nosamborin’ny polisy misahana ny raharaha fa heverina ho “mpiray tsikombakomba”. Mipetraka ao Antananarivo izy, saingy tonga eto Toamasina noho izao resa-bolany izao fotsiny.

Vao nahazo ny vola nilainy ireto andian-jiolahy izay heverin’ny mpitandro ny filaminana fa tsy ireo roa lahy hitan’ny olona nitifitra ilay tera-tany karana ihany, fa tsy maintsy nisy olona roa hafa tsy lavitra teo nanara-maso ny manodidina amin’izay olona mety hiditra an-tsehatra, na ny fiavian’ireo mpitandro ny filaminana, dia nitsoaka nihazo lalana miditra ny tananan’Ambalabe izay efa fanta-daza eto Toamasina fa isan’ny fitsoahan’ireo andian-jiolahy mpanao izao fanafihana mitam-piadiana izao. Saingy raha misy ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro ny filaminana dia tsara mpiaro izy ireo ka sarotra karohina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici