Tena tsy hay fehezina intsony ny fitobaky ny rongony eto Toamasina ankehitriny. Bizina mandeha raha izay no ilazana azy, satria efa tafaroboka hatramin’ny tanora tsy ampy taona midoroka azy, isan’ny mitondra ny tsy filaminam-piarahamonina ny fahamaroan’ny mpifoka azy.
Vokatr’izay, dia baiko hentitra no azon’ireo polisy ao Toamasina amin’ny fifehezana izany, ka isan’ny anaovan’izy ireo hetsika goavana ankehitriny. Nisy vokany ny fiaraha-miasa, ka saron’ny polisy izay iarahan’ny FIP sy ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra ary ny kaomisarian’i Tanambao II, ireo mpibizina sy mpifoka rongony 5 lahy tao Andranomadio, izay mahatonga ihany koa ny tsy fahandriampahalemana ao amin’ny fokontany misy azy ireo amin’ny fanaovana asa fanendahena sy famakiana trano. Teo koa ny fahatraran’izy ireo, ireo mpanendaka sy mpandrava an-dalana efa-dahy teny amoron-dranomasina sy tao Ambohijafy avaratra ary tao Tanamakoa izay nangalatra môtô.
Misy mpamongady ireto mpibizina rongony ireto araka ny loharaom-baovao izay efa am-panaraha-maso azy ny polisy ankehitriny. Amidin’izy ireo 500 ariary ireo fonosana rongony tonga dia azo fohana avy hatrany, izay misy 75 fonosaa no saron’ny polisy nandritra ny hetsika nataony. Miantso fiaraha-miasa amin’ny fitsarana ny mpitandro ny filaminana, mba tena hanasazy ireo fahavalom-pilaminam-bahoaka ireo, mba tena hisian’ny fandriampahalemana ho an’ny mpiara-belona sy isam-pokontany.
Ho fanatsarana ny asa, dia nizara faritra hiasana amin’ny hetsika atao rehetra, ka ny Kaomisera Rafaliarivo Jules no misahana ny faritra andrefana, ny Kaomisera Razafindahy Manitra ny afovoan-tanana sy tapany atsimo, ary ny kaomisera Rakotovao Jean Christian no misahana ny ilany atsinanana.
Malala Didier