Baiko hentitra nomen’ny minisitry ny polisy ireo ekipany eto Toamasina nandritra ny fandalovany teto ny alahady sy ny alatsinainy ary ny talata teo, ny tsy maintsy hilaminan’ny tanànan’i Toamasina, indrindra amin’izao andro fialan-tsasatra sy fahatongavan’ny olona hijery tako-masoandro izao.
Vokatr’izay baiko izay sy ny ezaka efa ela nataon’ny polisy, tarihan’ny kaomisera isany Razafindahy Manitra, Rakotovao Christian ary Rafaliarivo Jules, dia tratran’izy ireo tao Mangarivotra atsimo raha ela nikarohana azy noho ny fitarainan’ny olona, ireo « Bandes des dix » tarihan’izany « Ralom » izany. Tsy mitsitsy amin’ireo azony ireto andiana mpanendaka sy mpandrava ary mpamaky trano ireto, fa sady mamono, manolana izy ireo mandritra ny asa aratsy ataony. Teo koa ny fahazoana ireo mpangalatra moto gaigilahy mirahalahy, mbola tratra teo amin’izy ireo nandritra ny fisamborana azy ilay moto BW’S mainty nangalariny. Manginy fotsiny ireo mpanendaka sy mpamaky trano tratra tao Tanambao Verrerie sy Tanambao V ary tao Mangarano ; izay nahazoana andian-jiolahy miisa 5, ka ny iray amin’ireo no tratra nangalatra akohon’olona andro alina tao Tanambao V. Tamin’ireo andian-jiolahy tratra niisa 17 ireo dia ny 4 no mbola tsy ampy taona, 16 taona sy 17 taona; ireo 14 kosa dia manodidina ny 18 taona hatramin’ny 21 taona avokoa.
« Tsy maintsy milamina isika na eo aza ireo andian-jiolahy mihantsy polisy ireo. Adidinay ny miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny tanindrazana, ka tsy maintsy miperaka ny fandriampahalemana ho an’ny rehetra », hoy ireto kaomisera telo lahy ireto nanome toky ny vahoakan’i Toamasina. Anio no hiakatra fampanoavana izy 17 mirahalahy ireo handinihan’ny fitsarana ny sazy homena azy ireo.
Malala Didier