- Publicité -
mercredi, août 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina I : Saron’ny polisy ireo mpanendaka sy mpanafika mpitaingina scooter

Toamasina I : Saron’ny polisy ireo mpanendaka sy mpanafika mpitaingina scooter

Taorian’ny fanomezan’ny prefen’i Toamasina herinandro tsy maintsy ahitana vokatra ho an’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fahatrarana ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana PA sy mpitaingina moto, dia nody ho ventiny amin’ny ampahany aloha ny asa nataon’ireo polisim-pirenena eto Toamasina, satria nisy iray tamin’ireo mpanao izany no tratran’izy ireo tsy afa-nihetsika.

I “Ngeza” 23 taona ity tratra ity, izay voaporofon’ilay notofiriny tao amin’ny tranombarotra Airtel, “Bd de l’UA”, notafihan’izy ireo farany ny alatsinainy  lasa teo tokony tamin’ny 5ora sy 40min, dia ity tovolahy ity mihitsy no nitifitra azy raha mbola nifampisintona ilay sakosy nisy ny vola izy ireo ka nahavoa ny bala ny sandriny raha mbola afaka niala ny tifitra izy. Nandritra ny fakana am-bavany azy anefa no nanoroany ireo namany nandritra ity fanafihana mitam-piadiana ity, izay nilazan’ireo kaomisera misahana ireo kaomisaria efatra, Toamasina renivohitra, Tanambao II, Fip Valpinson, ary Mangarano, fa “tsy maintsy ho hitanay izy ireny na hiafina any rehetra any aza, misy fotoany ny zava-drehetra ka ho avy tsy ho ela ny hizakany ny heloka vitany”.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici