- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : Andian-jiolahy notarihana zandary nanafika fivarotana, roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Toamasina II : Andian-jiolahy notarihana zandary nanafika fivarotana, roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominin’Antanambao Nosibe Toamasina II, ny alin’ny talata nifoha ny alarobia teo izay trano fivarotana iray tao an-tanana no nanaovan’izy ireo izany fanafihana izay.

Raha ny angom-baovao mari-pototra avy any an-toerana dia adian-jiolahy notarihana zandary mbola miasa eo anivon’ny fari-pididian’ny zandary atsinanana izy ity, ary samy nanao fanamiana zandary sy nampiasa fitaovana zandary avokoa izy ireo nandritra izany. Vao tafiditra tao amin’ny fivarotana ity izy ireo dia avy hatrany ny vola no notakian’izy ireo tamin’ny tompon-trano. Noho ny tahotra sy ny fiarovany ny ain’ny fianakaviany dia nomeny ny vola. Vao lasa ireto andian-jiolahy ireo dia raikitra amin’izay ny antso vonjy ka nanomboka teo ny fifanenjehana teo amin’ny fokonolona sy ireo andian-jiolahy mitam-basy ireto. Roa no tratran’izy ireo voalohany izay avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ka maty tsy tra-drano; ny 03 no manaraka izay naratra mafy noho ny daroka nahazo azy ireo, izay mbola tsaboina eo anivon’ny hopitaly be ao anatin’ny ady amin’ny fahafatesena tamin’ny ora nanoratana ny vaovao, izay ilay zandary miasa eto Toamasina ny iray; ny 02 tratra farany kosa tsy naninona loatra na niharan’ny daroka ihany koa aza.

Ny loharaom-baovao avy amin’ny zandary nanangonana ny vaovao ihany koa dia tsy nisy nandà ny fahamarinan’ity zandary am-perinasa nitarika andian-jiolahy tao Antanambao Nosibe ity. Ny tena mbola ankamatatra dia ireo enina ambiny nanao fanamiana zandary ireo izay tsy nisy aloha hatrato ny fanazavana azo na zandary mbola am-perinasa izy ireo, na mpitandrana fanamiana tamin’ilay zandary efa voaporofo fa miasa eo anivon’ny fari-piadidian’ny zandary atsinanana tratra miady aina ao amin’ny hopitaly izao.

Efa teny nataon’ny komandy ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina tamin’ny fotoana nandraisany fahefana teto Toamasina, ny tsy hanekeny ny mpiara-miasa amin’ny amin’ny fandikan-dalana sy tsy fanarahana ny lalana mifehy ny zandarimariam-pirenena. Koa ho hita eo ny sazy sy ny fepetra ho raisina amin’izao tranga niseho tao Toamasina II izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici