- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : Efadahy nanafika orinasa, lasa ny karaman’ny mpiasa

Toamasina II : Efadahy nanafika orinasa, lasa ny karaman’ny mpiasa

Nisy nanafika andro vao maraina tokony tamin’ny 9ora sy sasany, ny 8 desambra lasa teo, ny orinasa mpamokatra menaka ao Melville Toamasina. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa efa-dahy nisaron-tava nitaingina moto nanao taingin-droa sady nitondra basy PA no tonga tao amin’ny orinasa, raha teo am-panomanana ny fizarana ny karaman’ny mpiasa ny antoandro ireo misahana izany. Avy hatrany dia hitan’ireto jiolahy ny birao misy ny vola karaman’ny mpiasa volana novambra, ka nanambana sy nanapoaka basy ireo andian-jiolahy, hany ka raiki-tahotra ireo mpiasa nisahana izany. Lasan’ireto jiolahy mora foana ireo vola be. Tsy fantatra mazava ny tena sandany noho fiovaovan’ny vaovao azo, fa ny hany fantatra dia amina miliara ariary ny vola very, izay karaman’ny mpiasa an-jatony eo anivon’ny orinasa. Efa nametraka fitoriana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nahazo azy ny orinasa. Voalaza ihany koa fa efa misokatra ny fanadihadiana rehetra, nefa hatreto aloha dia tsy hita popoka ny misy ireto andian-jiolahy mitam-basy mpanafika ireto, na fantatra aza fa moto scooter ny fitaovam-pitaterana fampiasany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici