Taorian’ilay sakoroka tao Belambo Toamasina II noho ny fidirana an-keriny sy fangalarana tany manan-tompo nataona olona marobe notarihana lehilahy iray, dia raikitra ny fikarohana an’io farany io izay namoahan’ny fitsarana mihitsy didy fikarohana sy fisamborana azy ny 6 novambra lasa teo ary naparitaka tamin’ireo biraon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo fokontany ary teny an-dalana rehetra teny ihany koa.
Hitsoaka any Frantsa. Raha nokarohina nandritra ny roa heinandro ity rangahy ity dia voasambotry ny polisy ihany nony farany noho ny fiaraha-miasa tamin’ireo olona maro be nofitahany sy nakany vola mikasika ity tany ao Belambo Toamasina II ity. “Fisolokiana olona, fakana vola tsy ara-dalàna aman’olona, fidirana an-keriny ao anaty tany manan-tompo, fanimbana zava-maniry tao anaty tanin’olona, ary fanaovana sy fampiasana hosoka”, ireo no heloka anejehana azy amin’izao fahatrarana azy izao. Nandritra ny fisamborana azy dia hita tany aminy ny pasipaoro efa misy fahazoan-dalana hidirany any Frantsa, sy taratasim-piaramanidina izay tokony handraisany fiaramanidina ny zoma alina ao Ivato.
Olona 4.000. Vola mitentina manodidina ny 252 tapitrisa ariary no azon’ilay lehilahy tamin’ireto vahoaka nofitahany mikasika famarotana tany mora tao Belambo izao; satria misy ilay vola 3.000 ariary sara-pidirana ho mpikambana ao anatin’ilay fikambanana “Fagnampona”, eo koa avy eo ny vola 60.000 ariary vidina “lot” na tany iray. Tao anatin’izao fitaka be vava izao anefa dia olona 4.000 be izao no tratrany izay samy nandoa ny vola avokoa, ary taorian’izay raha raikitra ny sakoroka noho tsy faneken’ilay ramatoa tompon-tany ny fidirana ao anatin’ny tany novidiany sy hanaovany sehatra fandraharaha mirefy 152ha, dia nanjavona sy nitsoaka ireo olona akiky an’ilay mpisoloky.
Raha ny fanazavan’ireo mpisolovava ny tompon-tany, ny Me Rabenjarijaona Antonio sy Me Totovelona, dia efa milamina ny any Belambo izao. Nomarihan’izy ireo ihany koa fa tany manan-tompo, izay teratany Malagasy, hatrany amin’ny taona 1904 ity toerana ity. Isan’ny nividy ampahany tamin’ity tany ity koa ny Adema nanorenana ny seranam-piaramanidina eto Toamasina izay natao in-3 miantoana. Ramatoa Ranoromalala Soloniaina (Mme Lala) no olona faha-37 nividy ampahany tamin’ilay tany.
Malala Didier



