- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : Mpitondra "voyage d'études" niharan'ny fitsaram-bahoaka

Toamasina II : Mpitondra « voyage d’études » niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ny mpampianatra sady « encadreur » no tena voa mafy. Nafangaron’ny olona tamin’ny mpanao vakisiny pesta (izay tsy mitombona nefa miteraka savorovoro any ambanivolo) mantsy izy ary daroka avy hatrany no nahazo azy. Tao Ambodisanina-Vohitambato, eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Toamasina no nitrangan’izany ny marainan’ny alahady teo. Efa nanazava ihany ilay rangahy fa mitondra mpianatra hanao fanadihadiana ara-java-boahary ny anton-diany kanefa nandamoaka izany noho ny fikorontanan-tsain’ny olona tato ho ato momba ny pesta sy ny mpanararaotra manodidina an’izany. Raha tsiahivina dia lasa fomba fiadin’ny olon-dratsy, tato ho ato, ny milaza ho mpanao vakisiny pesta dia mandroba nony avy eo. Toa izay nitranga tany Manjakandriana tamin’ny herinandro lasa teo. Ankoatr’izay koa anefa dia misy feo miely ary manakorontana ny sainy olona ny hoe misy olona manindrontsindrom-poana. Mailo ny mponina ary miaro ny fianakaviany. Toa izay nitranga tany Brickaville, mbola vao tamin’ny herinandro lasa teo koa. Izany rehetra izany dia midika fa mora handairan’ny tsaho ny mponina rehefa misy ny olana izay mihatra mivantana amin’izy ireo. Mila mailo koa izany ireo mpandeha any ambanivohitra ary manazava dieny mialoha ny anton-diany, arak’izay azo hatao, na koa manatona avy hatrany ny manam-pahefana izay mampahafantatra ny olona avy eo. Isan’ny misedra olana ny mpanao vakisiny tsotra izay mandeha any amin’ny toerana maro, manatona ny olona. Voatery miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo ankehitriny mba ho fiarovana ny ainy. Raha fehezina tsotra, olana miteraka olana ny pesta.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici