- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : Nokapain’ireo jiolahy famaky ny tanan’ilay mpangalatra

Toamasina II : Nokapain’ireo jiolahy famaky ny tanan’ilay mpangalatra

Jiolahy 03 indray no tratra ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina ny alahady sy ny alatsinainy teo. Samy avy namaky trano avokoa izy rehetra ireo, ka nampiharan’ny fokonolona ny hatezerany.

Ny alatsinainy hariva tokony tamin’ny 07ora teo dia nahazo antso ny polisy tao Toamasina fa misy olona maratra be midaraboka eo amoron’ny arabe manakaiky ny “cité fitiavana trano mora” Barikadimy. Raha tonga nijery ny zava-nisy ny polisy dia olona efa tapa-tanana malemy noho ny rà be very taminy no hitan’izy ireo, ka nentin’izy ireo namonjy hopitaly be aloha hotsaboina. Taty aoriana raha nandeha ny fanadiadiana vao fantatra, kay olona avy namaky trano sy nangalatra tao Antetezantoana Toamasina II izy ity. Ny angom-baovao ihany no nahalalana fa izy sy ny zanaka anabaviny no niaraka nanao ilay vaky trano, saingy mbola afa-nandositra izy ireo ny alahady alina fa nisy nahatsikarika, ka nokarohan’ny fokonolona ny alatsinainy ary hitan’izy ireo tao Tsarakofafa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici