- Publicité -
jeudi, décembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina II : Rangahy iray 37 taona tratra nanao firaisina tamin’ny akohovavy

Toamasina II : Rangahy iray 37 taona tratra nanao firaisina tamin’ny akohovavy

Zavatra tsy fanaon’ny olombelona no nataon’ity raim-pianakaviana manam-bady aman-jakana tao amin’ny fokontany Tanandava Toamasina II ity. Ambodiomby  mihitsy no nahatrarana azy (ambody akoho mantsy e!)  nanao firaisana tamin’ny akohovavy tao an-toerana. Efa narahan’ny olona maso mantsy ny Tanàna fa misy olona manao firaisina amin’ny akohovavy, satria manahy io olona iray io ny fokonolona ao anatin’izany. Akohovavy teo an-tanana an’olona mpifanila vodirindrina tamin’izy ireo niisa telo ihany no simba tanteraka andro vitsivitsy lasa izay, izay iray ihany ny tompon’izany. sarona teo am-panaovana ilay akohovavy mihitsy ity rangahy manam-bady aman-janaka ity, ka noraisim-potsiny sy niantsoana filohan’ny vakim-pokontany ary nampandrenesina mihitsy ny fokonolona tao anatin’izany. Nantsoina niatrika izany koa ny vadin’ilay rangahy nandritra ny fifanazavana rehetra. Nahatsiaro afa-baraka ilay vadiny saingy niafy ny hevitry ny olona momba ny vadiny izy tao anatin’ny raharaha. Nifompona teo amin’ny vadiny sy ny fokonolona niatrika ny raharaha ilay rangahy fa tsy hamerina ny fihetsiny intsony nandritra izany. Samy niaiky ny fifonany tsy hamerina intsony ny olona rehetra teo, fa raha mbola mitranga ny zavatra niseho rehetra dia ampiankarina manampahefana ny raharaha fa sao lasa ataony aman’olona indray any aoriana. Mbola,niaraka izy mivady fa tsy nisaraka na teo aza ny zavatra vitan’ilay rangahy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici