- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : Tovolahy iray nitaingina môtô, maty nifandona tamin’ny taxi-brousse

Toamasina II : Tovolahy iray nitaingina môtô, maty nifandona tamin’ny taxi-brousse

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena faha-5, manakaiky ny CEG ao amin’ny kaominin’ Antetezambato Toamasina II, ny alarobia 5 aprily tokony tamin’ny  4ora sy sasany tolakandro. Raha ny fanazavana azo, dia tovolahy avy  nandevina ny renibeny hamonjy fodiana eto Toamasina renivohitra no maty nifandona tamin’ny taxi-brousse hihazo an’i Fenoarivo atsinanana. Nanao taingin-telo tamina môtô ka ilay tovolahy no nitondra sy nisy vehivavy iray teo afovoany ary tovolahy iray hafa tao afara. Raha io fanazavana azo io, dia ilay môtô no nitrosona tamin’ilay taxi-brousse, maty tsy tra-drano tamin’izany ilay tovolahy nitondra, tapa-tongotra kosa ilay vehivavy ary ratra maromaro kosa no nahazo ilay tovolahy tao afara. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireto olona roa tapaka sy naratra, raha nentina namonjy ny tokantranony kosa ilay tovolahy maty avy nandevina ny renibeny ity…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici