Ny 17 desambra teo, tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambodisaina Toamasina II, notafihan’ny jiolahy nironga basy ny fivarotana iray. Efa nihidy ilay tsena, satria tokony ho tany amin’ny 12 ora alina no niseho ny fandrobana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa tsy nihambahamba kely akory ireo jiolahy, fa avy hatrany dia nitifitra. Ilay ramatoa tompon’ny tsena no voa teo amin’ny lohany ary nianjera avy hatrany. Tsy vitan’izany fa mbola noratrain’ireo olon-dratsy koa ny vadiny. Noraofin’ireo mpangalatra tamin’izay ny zavatra azony nalaina, dia lasa izy. Nikoropaka ny rehetra nitondra haingana ireo naratra tany amin’ny hopitaly. Ilay vehivavy, tsy tana ny ainy noho ny ratra nahavoa azy. Rangahy vadiny kosa avotra. Rehefa nilazana ny mpitandro filaminana, dia tonga nanao fanadihadiana. Afaka nilaza ireo voatafika fa misy olona ahian’izy ireo nanao izao zavatra izao. Nandeha ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana, ka lehilahy iray aloha hatramin’izao no nosamborina sy hanaovana famotorana.
r.s.