Tsy misy fanazavana, tsy misy fanontaniana, tsy misy alaharo, fa vao voatondro ho mpanagalatra taolam-paty taorian’ny fanenjehan’ny fokonolona andian-jiolahy mpamaky fasana ny alatsinainy teo dia avy hatrany dia nanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka ity tovolahy ity. Raha ny angom-baovao avy amin’ny vahoaka avy any an-toerana dia nisy andian-jiolahy valo be izao tsikaritry ny mponina tao Antetezambaro kaominina amin’ny lalam-pirenena faha-5 iny ao anatin’ny Distrikan’i Toamasina II fa namaky ny fasandrazan’izy ireo. Raikitra avy hatrany ny antsoantso eran’ny Tanana dia nisy avy hatrany ny fanenjehana ireto andian-jiolahy mpamaky fasana ireto. Voalaza ny vaovao tamin’izany fa tafaporitsaka ny fito lahy, fa ity iray kosa tratran’izy ireo izao na tsy nahitana na fitaovana sy taolam-paty iray aza tany aminy dia avy hatrany dia niharan’ny fahatezeran’ny fokonolona ary maty tsy tra-drano noho daroka sy fampijaliana nahazo azy. Vao nandre ny vaovao ireo zandary mpanara-maso ny lalam-pirenena faha-5 ao Ivoloina dia tonga nijery haingana ny zava-nisy, saingy tsy afa-nanohitra ny fokonolona; nandritra ny fahatongavan’izy ireo koa efa tsy nisy aina intsony ilay heverina ho mpangalatra taolam-paty. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia mbola ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny fatiny.
Malala Didier