Nirongatra mihitsy ny asan-jiolahy mahery vaika tato ho ato izay tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao. Orinasa iray mpikirakira milina ilaina amin’ny solika indray no lasibatry ny jiolahy am-polony mahery tao Ampasimaneva, Toamasina II, ny alin’ny alahady lasa teo. Lasan’ireo andian-jiolahy tamin’izany ny milina iray mpampiakatra solika, na « moto-pompe », izay mitentina an-tapitrisany maro. Naratra vokatr’io fanafihana io ihany koa ny mpiambina an’ity orinasa ity miisa roa, izay naratra noho ny vely vy natao tamin’izy ireo teo amin’ny sorony. Mpiambina iray hafa kosa no nitondra takaitra tsy fidiny vokatr’ity fanafihana ity hatrany. Jamba noho ny firarahan’ny asidra teo amin’ny masony. Araka ny fantatra dia nisy dimy ireo mpiambina tamin’io fotoana io saingy nitsoaka ireo izay tsy naratra noho ny hamaroan’ireo olon-dratsy. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa efa in-telo amin’izao ity orinasa mpanamboatra milina fampidinana solika ao Ampasimaneva ity no nisy nanafika. Saingy tsy nisy zavatra lasa na olona naratra tamin’izay. Efa eo am-pelatan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao.
m.L