Ny 22 may teo no nitranga ny raharaha. Tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, raha nody tao an-tranony tao Tanambao avy niasa miaraka tamin’ny moto ity raim-pianakaviana iray no nisy lehilahy roa hafa tsy nisaron-tava nanambana azy tamin’ny basy sy antsy . Nandrahona avy hatrany ilay rangahy izy roa lahy ireo ary nentin’izy ireo nandositra ilay moto avy teo. Nampandre ny Polisy teo Morarano avy hatrany ilay niharam-boina ka dia raikitra ny fanenjehana ireo jiolahy. Tsy lasa lavitra dia tratra ny iray tamin’izy ireo, rehefa nianjera tamin’ilay moto nangalariny. Ny namany iray hafa kosa tafaporitsaka. Mbola tratra teny aminy ny basy vita gasy, niaraka tamin’ny “boîte chargeur” nisy bala efatra; izay nampiasain’izy ireo nandrahonana ilay tompona moto teo am-baravarany. Efa tafaverina amin’ny tompony ilay moto niaraka tamin’ny vola mitentina 5.000.000Ariary tao anaty coffre-n’ilay moto izay nalin’ireto jiolahy. Marihana, fa ity tovolahy voasambotra ity dia efa mpamerin-keloka ary efa niditra am-ponja noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana hatrany; izay niseho ny taona 2014 ka nahafatesana “comptable” iray ary lasa tamin’izany ny vola mitentina 60 000 000 Ariary. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny Polisy.
T.M.