- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Jiolahy roa maty voatifitra

Toamasina : Jiolahy roa maty voatifitra

« Lavon’ny balan’ny Polisin’ny FIP, tao Tanambao 5 parcelle 11/43 ny lehilahy roa ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo tamin’ny misasakalina sy sasany noho ny resaka halatra miharo vaky trano » raha araka ny polisy ao an-toerana. Nisy antso voarain’ny polisy mahakasika ny fisian’ny efa-dahy miaraka amin’nys abatra sy fitaovam-piadiana izay mikasa ny hamaky magazay iray. Efa tapaka ny « barbelé » ary efa nihanika ny fefy izy ireo. Efa voafatotra koa ny mpiambina roalahy ary efa nanomboka namoaka ny entana ireo jiolahy. Tonga ny mpitandro ny filaminana ary raikitra ny fifandonana tao anaty haizina. Roa tamin’ireo jiolahy no lavo raha tafaporitsaka ny roa ambiny izay mbola karohina. Naterina eny amin’ny trano-paty ireo namoy ny ainy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici