- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Jiolahy roa nahitàna revolver sy basim-borona nosamborin’ny olona

Toamasina : Jiolahy roa nahitàna revolver sy basim-borona nosamborin’ny olona

Isan’ny fokontany ahitana asan-jiolahy saika isan’andro ny ao amin’ny fokontany Andranomadio 11/43 eto Toamasina; ireo mpitandro ny filaminana aza manasokajy ity fokontany ity ho isan’ireo fokontany “midorehitra mena” amin’ny tsy filaminam-bahoaka. Ny vaky trano sy ny fanafihana fivarotana ary fanendahana ireo tratra alina sy miainga vao maraina no mateti-pitranga. Vokatra izany dia nantsangan’izy ireo ny andrimasom-pokonolona izay tsy maintsy andraisan’isan-tokantrano anjara isak’alina, ary misy hatrany koa ireo mpitandro ny filaminana mandalo matetika miara-miasa amin’izy ireo. Ny alahady 03 septambra teo tokony tamin’ny 01ora maraina dia nahatratra tovolahy iray nitondra akoho avy nangalariny ireto andrimasom-pokonolona ireto. Nentin’izy ireo namonjy ireo mpitandro ny filaminana tsy lavitra teo ity tovolahy ity, saingy vao nahita ireto zandary ny tenany dia nitsoaka ka raikitra teo ny fifanejehana izay voasambotra fanindroany taorian’izay. Raha nanao ny fanadiadiana azy ny zandary nisahana ny raharaha dia fantatra fa isan’ny ekipan’ireo andian-jiolahy mpanao andiany efatra izay efa maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana ny telo ity jiolahy tratra ity. Nisava ny trano misy azy izay iarahany mipetraka amin’ny rahalahiny ny zandary dia tratra tao amin’izy ireo ny basy “revolver” iray sy basim-borona iray niaraka tamin’ny bala fampiasa aminy miisa enina mbola vaovao be. Ho an’ny zandary araka ny nambaran’ny “chef d’escadron” Randriamantena Leon fa tsy ireto basy tratra ireto ihany ny basy mety amin’izy mirahalahy ireto, saingy eo am-pikarohana izany izy ireo. Ankoatra izay dia nomarihan’ny “chef d’escadron” Randriamanantena Leon fa tokony hanao tahaka ity fokontany ao Andranomadio 11/43 ity avokoa ny fokontany rehetra eto Toamasina, mba hanamora ny ady atao amin’ny tsy filaminana, sy tsy hanasarotra ny fanejehana ireo andian-jiolahy miafina amin’ireo fokontany, satria vonona hanampy amin’ny fananganana izany ny zandary

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici