- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Jiolahy telo maty, roa azo sambo-belona

Toamasina : Jiolahy telo maty, roa azo sambo-belona

Nirefodrefotra indray ny basy tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao. Fifandonana mahery vaika nisy teo amin’ireo pôlisy avy eo anivon’ny Fip Toamasina sy ny andian-jiolahy mahery vaika, nikasa hanafika mpandraharaha iray tany an-toerana. Raha ny voalaza dia basy vita gasy sy basy kilalao nampiasain’ireto olon-dratsy tamin’io andron’ny zoma io, nentina nifanandrinana tamin’ireo mpitandro filaminana. Tsy nanaiky hatramin’ny farany moa ireto andian’olon-dratsy, hoy hatrany ny vaovao, fa niezaka ny nifampitana hatrany no sady nanao tari-dositra. Vokany : telo no maty voatifitra ary voasambotra ny roa.

Antoandro be nanahary no nisian’ity fifanenjehana narahana fifampitifirana ity tao Toamasina tao. Araka ny vaovao azo dia tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana ny fisiana olona mikonokonona fanafihana, ary mikasa hanafika mpandraharaha. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza ireo hery vonjy taitran’ny pôlisy ary nanao sahavao manodidina. « Tsikaritr’ireo jiolahy ny fahatongavan’izy ireo ka tsy nisalasala ireto olon-dratsy fa avy hatrany dia nitifitra sy niezaka nandositra » araka ny fampahafantarana azo. Tao anatin’izay no nahalavo ireto telo ireto, nahavoasambotra ny roa ary nahazoana ireo fitaovam-piadiana, basy vita gasy sy zava-maranitra, niaraka tamin’ilay basy kilalao teny am-pelatanan’izy ireo. Nentina natao famotorana moa ireo roa lahy sisa tsy maty ary notanana natao andrimaso, mandra-piandry ny fanolorana azy ireo eo anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici