- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Jiolahy tsy matim-bala, nitsangana indray

Toamasina : Jiolahy tsy matim-bala, nitsangana indray

Niparitaka ny feo tany Toamasina mikasika ny tranga iray niompana tamin’ny nahafatesana jiolahy telo tamin’ny faran’ny taona teo. Nisy ny hetsika nataon’ny polisy ary tamin’izany no nahafantarana fa nisy olona lazaina fa voatifitra. Rehefa nentina tany amin’ny « morgue » izy ireo dia teo no niseho ny zavatra nahatalanjona. Nisy tamin’ireo jiolahy ireo faran’izay malaza amin’ny filalaovana ody, na dia niantefan’ny bala maro aza, dia mbola afaka nitsangana ihany. Mitantara ireo vavolombelona nahita ny fandehan-javatra. Nanana ody faran’izay mahery, hono ity bandy ity. Na dia rotiky ny bala aza anefa izy ary efa naterin’ny mpitandro filaminana tany amin’ny tranompaty tao amin’ny Hopitalibe dia voalaza fa afaka nitsangana. Haingana ny fandehan’ny tantara avy eo. Afaka nivoaka teo amin’ny varavaran-kelin’ny tranompaty izy. Afaka nandeha nody tany an-tranon’ny ray aman-dreniny eny Mangarivotra. Ireo mpiambina tao amin’ny hopitaly moa dia samy gaga avokoa. Rehefa tonga tany an-trano moa izy, araka ny vaovao ihany, ireo ray aman-dreniny no voalaza fa nanatitra azy indray niverina tany amin’ny hopitaly. Ireo farany ireo no nanala ny firavaka feno ody gasy voalaza fa mahery vaika niravahan’ilay bandy. Afaka hatrany amin’izay nafenina tany anaty akanjony. Taorian’izany vao hita nanomboka niala ny aina, hoy hatrany ny vaovao voaray. Nandeha ny rà tamin’ireo ratra maro vokatry ny tifitra nahazo azy.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser