Akbaraly Sabrina, teratany indopakistanais izay mizaka ny zom-pirenena Malagasy. Nandeha “bajaj”, ireny posiposy mandeha motera ireny, izy sy ny vehivavy iray namany ny an toandron’ny alarobia teo. Nisy lehilahy roa nandeha moto scooter nanaraka avy ato aoriana saingy tsy tsikaritr’izy ireo. Raha ny fantatra dia saika hamonjy fodiana ao amin’ny Cité Nouvelle Ville eo Maintirano izy roa vavy. Efa tsy mifanalavitra ny tranony intsony no namoaka ny basy teny aminy ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Norahonany tamin’izany ny mpitondra ilay posy. Tsy vitan’izay aza fa mbola narahina tifi-danitra izany mba hampitahotra ireo olona. Nitsoaka avy hatrany teo an-toerana ny mpitondra ilay “bajaj” ary mba tsara ny fanapahan-keviny voalohany izay nizotra nankany amin’ny biraon’ny zandary akaiky azy indrindra. Teo anelanelan’izany dia mbola nitohy ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy. Rehefa tonga teo amin’ilay toerana ny zandary dia vehivavy efa nihosin-drà, ilay karàna vavy io, no novantan’izy ireo. Ilay vehivavy faharoa izay Malagasy kosa tsy nisy ratra teny aminy. Nentina faran’izay haingana teny anivon’ny hopitaly ny naratra mba hanavotana ny ainy. Raha ny fanamarihana azo dia fotoana fohy taorian’ny avotr’aina natao taminy dia maty ihany ilay vehivavy. Inona no anton’ny famonoana? Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny borigadin’ny Toamasina saingy ny hany fantatra dia ny fahaverezan’ny kitapo izay teny amin’io karana vavy io. Dia tsy maintsy novonoina ve anefa izy mba nahazoana an’izany? Matoa ihany koa izy nandeha bajaj dia inona fa tsy hitondra volabe na zava-tsarobidy hafa, iaraha-mahalala ny tsy fandriampahelamana misy eto Madagasikara ankehitriny…
D.R