- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina-Kidnapping : Fantatra ny laharan’ny bala nampiasain’ireo jiolahy

Toamasina-Kidnapping : Fantatra ny laharan’ny bala nampiasain’ireo jiolahy

Mitohy hatrany ny fahazoam-baovao mikasika ny raharaha fakana an-keriny an’i Lao Jean Claude tao Toamasina, izay efa nafahan’ny brigady misahana ny heloka be vava avy eto Antananarivo, BC, ny fiandohan’ny volana aogositra lasa teo; izay  olona 05 miandry fitsarana am-ponja.

Raha ny angom-baovao natao, dia nivoaka ihany ny tsiambaratelon’ilay bala nampiasain’ireo “jiolahy” nandritra ny fihazonana an-keriny an’i Lao Jean Claude, sy nandritra ny fotoana nifampitifiran’ny polisin’ny BC Antananarivo sy ireo “jiolahy”. Mitondra ny laharana 309/74 sy 13/94 izy ireo, izay voamariky ny vaovao nangonina fa tena bala fampiasan’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny asany an-davanandro ankehitriny ilay faharoa, raha bala nampiasaina fahiny teo anivon’ny fiarovana ny lapam-panjakana ilay voalohany. Fantatra niaraka tamin’izay ihany koa ny laharan’ilay basy kalaky 02 tratra, izay tokony hanamora ny fikarohana ny toby nivoahany, raha tena hikaroka ny marina ny fitsarana sy ny fanjakana ary ny mpitandro ny filaminana.

Karohina i Verniste. Ny 05 tamin’ireo 28 nosamborina sy nohadihadiana  no nampidirin’ny fitsarana am-ponja vonjimaika ny 29 aogositra, raha mbola karohina ny 03 izay efa namoahana fikarohana manokana i Verniste. Ireo miandry fitsarana am-ponja anefa dia mandà mafy ny fifandraisan’ny havany amin’ity raharaha fakana an-keriny ity ireo fianakaviany. I Olivier araka ny angom-baovao dia andeha hividy fanafody ho an-janany narary no voasambotra tao Mangarano II, ny 12 aogositra tamin’ny 07ora sy sasany alina. I Lanto kosa avy tao amin’ny zokiny tao Mangarano II hody ihany koa no voasambotra io 12 aogositra io. I “Doda” sy ny rahalahiny 02 kosa na mpinamana fahiny tamin’i Lao noho ilay orinasa niarahana tany aloha efa nikatona ny taona 2007; izay nosamborina ny 25 aogositra tao an-tranon-drafozany, dia nambaran’ny fianakaviany fa tsy hahavita haka an-keriny izany mihitsy.

Mbola tantara tsy hifarana ity raharaha ity, satria araka ny angom-baovao natao ihany dia misy ifandraisany sy ifamatorany avokoa ireo fakana an-keriny nisy tao ho ao izay. Ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici