Taorian’ilay fakana an-keriny niseho tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka, ny alahady lasa teo, voalaza fa nangalana ny zanaky ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Airtel, fantatra izao fa hita tao amin’ny hotely iray taty Antananarivao, ny marina kokoa, tetsy Ambodivona, ilay voalaza fa nalaina an-keriny. Ny vaovoa no nahafantarana fa raha vao niseho iny zavatra iny dia nihetsika avokoa ny mpitandro filaminana tany Toamasina sy teto an-drenivohitra. Vola iray miliara no nangatahan’ireo mpanka an-keriny ho takalony. Ny SMS nalefa tany amin’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy no narahan’ny polisy. Tonga hatraty Antananarivo izy ireo taorian’izany. Nanamarika ny mpanao famotorana fa toa misy zavatra tsy dia mazava loatra amin’ity fakana an-keriny ity.
r.s