Tompon’ny orinasa iray ao Barikadimy ity teratany Indopakistanais ity. Raha ny fantatra dia jiolahy efatra na dimy no naka azy ny talata hariva teo, tokony ho tamin’ny dimy ora. Nitondra fiara izay misy ny milaza fa 4X4 ary misy koa ny milaza fa fiara kely ireo olon-dratsy. Tsy nisy nipika ny zavanitranga, satria tsy nisy nety niresaka na ny olona akaiky ilay karàna ary ny mpitandro filaminana ihany koa, dia nilaza fa mbola tsy naharay fitarainana. Toejavatra izay mateti-pitranga ihany rehefa misy ny fakana an-keriny toa izao. Ny fantatra omaly dia nanao antso avo ho an’ireo jiolahy ny havan’ilay olona nalaina, fa marary mafin’ny diabeta izy io, ka mila manao tsindrona “insuline” matetika. Dikan’izany, mety hiafara amin’ny fahafatesany ny tsy fahazoany an’io fanafody io. Asa raha nanova zavatra izany antso izany. Hatramin’ny nanoratanay aloha, raha araka ny vaovao tany an-toerana, dia mbola tsy votsotra ilay karàna. Fanindroany tamin’ny karàna nalain’ny jiolahy an-keriny sahady izany ity tao anatin’ny andro vitsivitsy. Raha tsiahivina mantsy dia nisy iray ihany koa niharan’ny toa izao tetsy Behoririka, ny herinandro lasa teo. Io indray dia andro iray ihany dia votsotra rehefa heverina fa nanome izay nilain’ireo olon-dratsy. Mahakasika ny vaovao toa itony dia matetika tsy misy mipika mihitsy, eny fa na efa tafavoaka aza ireo karàna dia tsy mety mitantara izay nanjo azo. Midika izany fa manaraka izay lazain’ireo olon-dratsy izy ireo. Izany fihetsika izany anefa dia mainka koa mampirongatra ny fakàna an-keriny, satria tsy fantatra izay tena fanaon’ireo olon-dratsy hany ka lasa sarotra ny mamaritra paikady entina hiady amin’izy ireo. Na ny mpitandro ny filaminana aza matetika dia sahiran-tsaina ary tsy manana fomba entina hiatrehana ny fakàna an-keriny, noho ny tsy fisian’ny vaovao eo am-pelan-tànany. Raha vao miresaka “kidnapping” anefa dia miliara hatrany no ao anatiny…
D.R