- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina – Kidnapping : Mitaky 1,4 miliara ariary ireo mpaka an-keriny

Toamasina – Kidnapping : Mitaky 1,4 miliara ariary ireo mpaka an-keriny

Sarotra ny fahazoam-baovao mikasika ny raharaha fakana an-keriny an’i Moustapha Azir tao Mangarivotra atsimo ny sabotsy hariva teo iny. Manakatom-bava ny fianakaviany noho ny tahotra amin’ny havany. Vokany, tsy manam-baovao feno ihany koa ny mpitandro ny filaminana.

Na izany aza, misy ihany ny vaovao tsilian-tsofina re mikasika iny raharaha fakana an-keriny iny, ka araka ny loharanom-baovao araka ny antso an-tariby nataon’ireo jiolahy mpaka an-keriny an’ilay teratany karàna, dia mitaky 1,4 miliara ariary amin’ny fianakavian’i Moustapha izy ireo. Hatreto aloha mbola tsy nisy ny fanomezana ny vola fa mbola mandeha ny ady varotra eo amin’ireo mpaka an-keriny sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fianakaviana, ka ho hita eo hoe ilay vola notakian’ireo mpaka an-keriny ve no ho azony, sa hisy ny ady varotra ka ho latsaka izany. Ankilan’izay, araka ny loharanom-baovao ihany, dia mbola ao Toamasina ity teratany karana nisy naka an-keriny ity, saingy tsy mbola fantatra hatreto ny toerana nametrahan’ireo jiolahy azy.

Ankoatra izay dia manahy ny fisiana “mpitandro filaminana” ao ambadik’izao fakana an-keriny ny havany izao ireo fianakaviny sy ny mpitandro ny filaminana; tahaka ireo tranga nisy manerana ny nosy izay misy ifandraisany amin’ity tranga tao Toamasina ny sabotsy tolakandro ity, ka naha-voatonontonona sampana mpitandro ny filaminana teto amintsika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici