Ny asabotsy teo no niakatra fanampoavana sy mpitsara mpanao famotoran’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Toamasina, ireo enin-dahy voasambotry ny polisy misahana ny heloka be vava avy eto Antananarivo; izay nanao iraka manokana tao Toamasina, noho ity raharaha ity.
Dimy “MD”. Nandritra ny fiatrehan’izy enin-dahy ny mpitsara mpanao famotorana io, raha notazonin’ny fampanoavana ny fanamelohana azy ireo ho naka an-keriny olona sy naka vola tsy ara-dalana aman’olona ary ny fikasana hamono mpitandro ny filaminana, dia namoaka didy savaranonando ny mpitsara mpanao famotorana, ny hihazona ny dimy tamin’ny ireo enina niakatra fitsarana. Raha ny angom-baovao marim-pototra voaray teo anivon’ny fitsarana sy nohamarin’ireo olona mahalala ny raharaha, dia olona akaiky an’ilay nalaina an-keriny ny telo lahy tamin’ireo voatazona am-ponja vonjimaika ireo, izay mpirahalahy ihany koa, izany hoe mpiara-mibizina aminy amin’ny resaka tany sy nifanampy taminy ihany koa tamin’ny fampihodinana ilay klioba baolina kitra nanana ny lazany antsoina hoe SOSISOMA tao Toamasina. Ny roa lahy hafa “MD” kosa dia olona mahafantatra tsara azy telo mirahalahy, satria efa mpiara-miasa amin’izy ireo amin’ny resaka fivarotana tany ao Toamasina.
Dimy hafa karohana. Na efa misy ireto dimy lahy efa miandry fitsarana am-ponja ireto araka ny angom-baovao marim-pototra teo anivon’ny mpitandro ny filaminana hatrany, dia mbola misy dimy hafa karohina amin’ity raharaha ity; izay araka ny tsiloan-tsofina mandeha fa misy mpitandro ny filaminana mpamatsy basy ao anatiny ary manamboninahitra jeneraly no mpibaiko. Nefa raha hiverenana ny nahasamborana ireto efa miandry fitsarana am-ponja ireto, dia nisy ny famandrihana nataon’ny polisin’ny BC Antananarivo azy ireo, tao Tsararivotra amin’ny sampanan-dalana mihazo an’Ambatovy. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo mpaka an-keriny roa nitaingina Scooter, ka nahavoa teo amin’ny sandriny sy ny tongony ilay polisin’ny BC iray. Avy hatrany dia nitsoaka ireto roa lahy, saingy nanaitra ny nahita ny zava-niseho tamin’izay, dia ny fahatongavan’ny fiaran’ny Emmo-Securite naka ny basy kalaky tao anaty gonim-bary nentin’ireto roa lahy ireto, fa tsy nisambotra azy ireo kosa. Mbola tantara hafa indray ny mikasika izany, satria mifanilika ny zandary sy ny polisy mikasika io resaka kalaky io.
Ny hany mbola tena mila fanadihadiana lalina amin’ity raharaha ity, dia ny nahatonga ireo namany akaikiny naka azy an-keriny io, izay lasa toa manamarina ny resa-be nandeha tao Toamasina mikasika ilay vola be amina miliara manodidina ity raharaha ity.
Malala Didier