- Publicité SW45 -
samedi, novembre 23, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina – Kidnapping : Tsy mbola misy ny fangatahana « rançon »

Toamasina – Kidnapping : Tsy mbola misy ny fangatahana « rançon »

Omaly hatramin’ny 4 ora hariva, tsy mbola nandrenesana vaovao ny momba ilay fakana an-keriny teratany Karàna iray tany Toamasina niseho ny alatsinainy hariva tamin’ny 5 ora. Ny hany fantatra aloha hatramin’izao dia tsy mbola naharay fangatahana onitra na « rançon » ny fianakavian’ilay karàna.

Araka izany dia manjavozavo ny fandehan-javatra. Tamin’ny fotoana nitondran’ireo jiolahy an’ity olona ity dia voalaza fa handeha hody any amin’ny tranony izy. Eo amin’ny lalana Marechal Lattre de Tassigny no misy ilay fivarotana ary eny amin’ny Rue du Commerce izy no mipetraka. Lalana tokony ho eo amin’ny 15 mn eo, somary mangina tsy dia maro mpandeha. Ankeviny efa narahan’ireo olon-dratsy ity lehilahy ity ka rehefa tafiditra tao amin’ny garazany dia nanaovan-dry zalahy tamba-be nosintonina. Tsy hay anefa izay zavatra niseho na nanohitra ny anao lahy na ahoana fa nampiasa basy ireo mpaka an-keriny. Marihina fa manana toe-bataba ranjanana be ity nalaina an-keriny ity sady matanjaka. Mbola ny vaovao re teny an-toerana no nahalalana fa intelo nirefotra ny basy ary nisy nahatsikaritra aza fa toa nianjera ilay karàna. Tamin’izany no nitaritany azy niditra ilay fiara 4X4 miloko mainty. Tena manahy mafy ny fianakaviany amin’izay mety ho fahasalamany amin’izao fotoana izao.

J.C. Steve

- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser