- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina- kidnapping : Zanaka mpibizina andramena, mitaky « 4.000.000 » euros ireo...

Toamasina- kidnapping : Zanaka mpibizina andramena, mitaky « 4.000.000 » euros ireo jiolahy

Tranga na fakana an-keriny faha-03 nitranga tao Toamasina tamin’ity taona ity no niseho omaly alatsinainy maraina tokony tamin’ny 7ora. Tsy tera-tany sinoa na tera-tany karana na ny zanaka izy ireo ihany koa, fa zanaka « mpibizina » andramena fanta-daza tao Maroantsetra, izay efa isan’ny kandida tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ihany koa, dia Atoa « Arlan ».

404 bâchés. Raha tsy nanampo na inona na inona ny mpamilin’ireto zaza roa, tovolahy 17 taona zanaky Arlan sy zazavavy 14 taona taizan’izy mivady, nanatitra azy ireo handeha hianatra ao amin’ny lycée français ny voalohany ary kolejy Jeanne d’Arc Tanamakoa ny faharoa, dia efa nisy nanara-maso ny fiaingan’izy ireo tao an-tranony, tao amin’ny « Zone Economique Spéciale (ZES) » Verrerie. Vao tonga teo ambon’ny tetezana tao Tanambao Verrerie kosa izy ireo, ny lalana miditra ny tetezana raha teo ratsy ka tsy maintsy mandeha mora ilay fiara 4×4 Mitsubishi « gris double cabine » nitondra azy ireo, dia teo no nararaotra nanakana ilay fiara 4×4 ity fiara 404 bâchés nahitana olona efa-dahy tsy nisaron-tava ka ny 03 mitondra basy kalaky raha PA kosa ny nentin’ny iray. Avy hatrany dia voaendaka teo amin’ny familina ilay mpamilin’ireto zaza ireto, ary nentin’izy ireo niaraka tamin’ilay fiara 4×4 izy mianadahy, ilay fiara 404 bâchés kosa navelan’izy ireo teo ambony tetezan’i Tanambao Verrerie.

4.000.000 Euros. Nivoatra haingana ny raharaha araka ny angom-baovao natao, na tsy mbola nanamarina ny fisian’izany ireo mpitandro ny filaminana misahana ny fikarohana, fa io omaly io ihany dia efa nangataka ho takalo ny ain-janany amin’ingahy Arlan ireo naka an-keriny azy mianadahy. Ny vaovao ihany no nahalalana fa tsy maintsy aloha amin’ny vola vahiny Euros io vola takian’ireo mpaka an-keriny io, izany hoe manodidina ny « 4.000.000 » Euros. Midika io fitakiana vola be ataon’ireo mpaka an-keriny io hoy ireo mahay tsara ny raharaha, hany hahazoana vaovao mikasika izao fakana an-keriny izao, fa misy ifandraisany amin’ny raharaha « bizina » andramena ataon’ingahy Arlan izao raharaha izao. Voalohany, hain’ireo naka an-keriny na ireo naniraka ny fakana an-keriny an-janany ny vola eo am-pelan-tanany ; faharoa, azo heverina fa fifamaliana faty ihany koa izao raharaha izao, ka mitaky ny anjarany tsy azony ireo mpaka an-keriny na ireo naniraka tamin’izao fakana an-keriny izao.

Ankilan’izay, dia efa « matihanina » amin’ny fakana an-keriny ireto nanao izany omaly maraina, satria na efa betsaka mpandalo sy misy mivarotra aza teo ambon’ilay tetezana, dia tsy nisy ny basy nipoaka ary haingana no nanaovan’izy ireo ilay fakana an-keriny. Nanomboka omaly dia ao anatin’ny fikarohana sy fanangonam-baovao mikasika ity raharaha ity avokoa ireo mpitandro filaminana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici