- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina - Kitra na orinasa : Nibata ny fandresena ny orinasa SMMC

Toamasina – Kitra na orinasa : Nibata ny fandresena ny orinasa SMMC

Natao ny sabotsy 30 septambra teo ny lalao baolina kitra ataon’olona 07 an’ireo orinasa voaasa teto Toamasina. Teo amin’ny kianja manaram-penitra Barikadimy no nanaovana ny lalao. Tamin’ny lalao famaranana dia ny orinasa La Seal sy ny Smmc no nandray anjara, ka nisaraka tamin’ny isa 01 noho 00 ny lalaon’ny orinasa roa ity, ka nibata ny fandresena tamin’izany ny orinasa Smmc tao anatin’ny 20min in-02 miditra. Tamin’ny minitra faha-11 ny fihodinana faharoa no nahafaty ny baolina ny orinasa Smmc ka nibatany ny amboara. Teo amin’ny lalao ankatroky ny famaranana kosa dia ny orinasa Smmc nihaona tamin’ny Somalaval izay nisaraka tamin’ny isa 02 noho 01, sy ny orinasa La Seal sy ny Pronet izay nisaraka tamin’ny isa 01 noho 01 ka ny fandakana ny « tir au but » no nisarahan’ny roa tonta, ka 02 noho 01 no nisarahana nandritra izany. Samy nahazo loka avokoa izy rehetra sy nandray anjara rehetra tamin’ity lalao baolina kitra AGL ity. Nilaza ny talen’ny AGL fa mbola hitohy ny lalao natokana ho an’ny orinasa tahaka izao, mba hisian’ny fifandraisana am-po eo amin’ny samy mpiasa. Nambarany ihany koa ny fisaorana ireo mpitsara ny lalao rehetra, ary mbola manentana azy ireo hanohy hatrany ny fiaraha-miasa. Ny mpanazatra ny orinasa Smmc kosa nanambara fa efa nampohizin’izy ireo ny fahazoana ny amboara noho izy ireo efa zatra milalao kitra sy mpiaraka ary efa manana traikefa.

Malala Didier 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici