Nisehoana loza an-dranomasina indray tany amin’iny faritra Antsinanana iny ny alatsinainy alina lasa teo. Lakana kely iray, nitondra mpanjono efa-mianaka no rendrika tao amin’ny reniranon’Ivohitra, ao Lohariandava, Toamasina II. Vokany, ilay mpivoy ihany hatreto no avotra. Namoy ny ainy kosa ny olona roa, izay renim-pianakaviana sy ny zanany. Mbola tsy hita kosa hatreto ny lehilahy iray hafa niaraka tamin’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo, nidona tamin’ny vato ity lakana ity no antony nahatonga ny loza, raha handeha hamonjy fodiana iny izy efa-mianaka ireto. Mbola teny am-povoan-drano anefa izy ireo tamin’io fotoana io. Ilay lehilahy mpivoy lakana no afaka nilomano namonjy moron-drano ary niantso vonjy tany an-tanana. Tsy nisy azo natao intsony anefa. Efa natsingevan’ny rano ilay renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany tao am-babena. Mbola eo am-pikarohana olona iray kosa ireo tompon’andraikitra miaraka amin’ny fokonolona any an-toerana. Nanokatra ny famotorana kosa tetsy an-danin’izay ireo zandary ao amin’ny PA Andekaleka.
m.L