Ny sabotsy nifoha ny alahady teo, dia nisy fianakaviana avy namonjy fetim-pianakaviana avy any Mangarivotra namonjy fodiana tao Ampasimazava. Efa nandrasan’ andian-jiolahy teo am-bavahady anefa izy telo ireto ka avy hatrany dia voaambana antsy. Niditra tao an-trano izy ireo ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola tao an-trano mitentina 560 tapitrisa ariary, finday telo avo lenta ary kitapo nisy antontan-taratasy maromaro. Vao lasa nandositra ireto jiolahy tamin’io fotoana io dia niantso ny polisin’ny boriborin-tany faha-02 ireo niharan’ny fandravana, ka nanomboka teo ny fisavana sy ny fanaraha-maso. Raha nanao ny asany ny polisim-pirenena dia tratra tao anaty “trano sachet” eny amoron-dranomasina ireo jiolajy 05 nanao ity fanafihana tao Ampasimazava ity, mbola niaraka tamin’ny antsy nampiasain’izy ireo. Mbola tratra tao amin’izy ireo koa ny zavatra nangalarin’izy ireo hatramin’ny vola izany ary efa tafaverina tamin’ny tompony. Efa ataon’ny jiolahy eto Toamasina fierena indray izany ny “trano sechet” eny amoron-dranomasina, noho izany loza mitatao amin’ny vahoaka izany ny fisiany amin’izao fotoana izao, satria tsy vitan’ny efa manimba ny fahatsaran’ny moron-dranomasina sy mitondra loto eny amoron-dranomasina, izao indray izany fieren’ny jiolahy avy manao ny asa ratsiny sy fanafihana ataon’izy ireny. Mila mandray ny andraikiny ny PDS amin’izao olana izao, hoy ny polisim-pirenena.
Malala Didier