- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversToamasina : Lehilahy lehibe iray nanolana zazavavy 3  taona

Toamasina : Lehilahy lehibe iray nanolana zazavavy 3  taona

Mpiara-miasa amin’ilay renin-jaza ity lehilahy 30 taona nahavita nanao filan-dratsy tamin’ity zazavavikely telo taona ity araka ny angom-baovao natao. Efa zatra mahita raha teo ilay zazavavikely ka tsy misy tahotra ny manatona azy sy misangisangy aminy ary nentiny nanaraka azy. Nandritra no fitondrany azy io anefa no nanana faniriana ratsy ilay lehilahy, ka nampiharany ny filan-dratsiny ilay zazavavikely. Tsy nisy nahatsikaritra izany toe-draharaha izany raha tsy ilay zazavavikely nitaraina ny zavatra maharary azy vao taitra ny reniny. Raha nozahana ilay fivaviany dia nahitana ratra hoy ny reniny, ary teo no nilaza ny marina rehetra nanjo azy ilay zazavavikely, ka nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana mpiaro ny zaza avy hatrany ny reniny mikasika ny fanimbana an-janany. Araka ny fitantaran’ilay zazavavikely tamin’ny reniny dia “nokitikitihan’i…(ilay lehilahy) ny bo…bodiko dia natsofony moramora tao ny zavatrany, nefa avy eo dia nataony mafimafy taketo…”. Nisy avy hatrany ny fisamborana ilay lehilahy, ka natao avy hatrany ny fakana am-bavany ilay rangahy 30 taona mpanolana zazavavikely ity. Araka ny lalana dia mampiditra am-ponja vonjy maika avy hatrany ny fametaveta ankizy latsaky ny 15 taona eto amintsika, nefa momba ity raharaha ity dia miditra an-tsehatra ny lehiben’ny orinasa iasan’ity ramatoa ity sy ilay rangahy mpanolana, ka misy ny fanelanelan’izy ireo mikasika ny raharaha eny amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana. Very hevitra noho izany ilay renim-pianakaviana sy ny rain’ilay zazavavikely, indrindra ny fidirany orinasa hiasan’ilay ramatoa sy ilay mpanolana an-tsehatra amin’ilay raharaha ady heloka bevava eto amintsika ity. Miantso ny fikambanana mpiaro ny zon’ny zaza sy ny fitsarana izy ireo mba handray ny andraikiny fa ho simba fahatany ny zaza Malagasy raha ho toy izany foana ny ataon’ireo mpanolana zaza ireo.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici