Noho ny fandaozany ny vadiny sy ny tsy namelomany ny zanany roa, dia raim-pianakaviana iray no nohelohin’ny Fitsarana ao Toamasina sazy mihantona telo volana, ary nandoa onitra 10 tapitrisa ariary. Raha ny vaovao voaray, dia efa 16 taona ity rangahy ity sy ramatoa vadiny no niara-nipetraka. Nasain’ingahirainy niara-nitady vola taminy ilay vehivavy mba hanamboarana trano tao amin’ny tokotanin’ny ray aman-dreniny. Rehefa vita anefa ny trano, dia nitady izay fomba rehetra nisarahana tamin-dramatoa vadiny rangahy. Nanomboka ny taona 2018 teo, dia nasain’ity lehilahy ity nankany amin’ny ray aman-dreniny ny vadiny. Ary herinandro taorian’io, dia naterin-drangahy tany koa ny entan-dramatoa. Nanomboka teo dia tsy nikarakara azy telo mianaka intsony ity raim-pianakaviana. Taorian’ izay, dia nanao mariazy tamin’olon-kafa rangahy, ary vehivavy efa niteraka telo tamin’ olon-kafa no nataony mariazy. Raha vao nahafantatra ny zava-nisy tamin’ny famitaham-badiny azy ramatoa dia nametraka fitoriana, ary niakatra fitsarana ny raharaha.
Eric Manitrisa