- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Lehilahy nanolana ny zanany vavy, nidoboka am-ponja vonjimaika

Toamasina : Lehilahy nanolana ny zanany vavy, nidoboka am-ponja vonjimaika

Tranga mahatsiravina indray no niseho tany amin’ny Kaominina Antanambao Manampotsy, distrikan’i Toamasina. Lehilahy, 34 taona, no nanolana ny zanany vavy vao 14 taona monja. Raha zohina ny zava-nitranga, efa nanomboka ny 23 desambra 2015 no nanampatra ny filan-dratsiny tamin’io zanany naterany io ity lehilahy ity. Marihina fa, efa nisara-panambadiana ralehilahy ka ao aminy no mipetraka ilay zazavavy nefa izao nanamparany ny filany izao. Voatery niaritra ny herisetran-drainy ilay zazavavy noho ny fandrahonana nahazo azy. Nampitandrina azy mantsy ilay rainy fa horasarasainy amin’ny antsy raha toa sanatria ka mitaraina ny amin’izany toe-javatra izany amin’olona izy. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ilay zazavavy anefa ny renikeliny, vadin’ilay lehilahy amin’izao fotoana, ka niezaka naka ny fon’ilay zaza ahafantarana ny zava-misy. Notantarain’ilay zazavavy tamin-drenikeliny avokoa ny zava-nitranga rehetra ka tsy niandry ela ity solon-dreniny ity fa nampandre avy hatrany ny fianakaviana manontolo ny amin’ny toetra ratsy ataom-badiny. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary araka izany ireto farany. Nony fantatr’ilay nahavanon-doza, fa tadiavin’ny zandary anefa ny tenany dia rifatra nitsoaka izy. Tratran’ny fokonolona tsy niala lavitra ny Kaominina ihany anefa ity farany, ny 23 jolay lasa teo ka izy ireo no nanatitra azy teny amin’ny biraon’ny zandary any Toamasina.  Ny 27 jolay lasa teo ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza no natolotra ny Fampanoavana tao Vatomandry ka naiditra am-ponja vonjimaika. Araka ny tatitra azonay avy tamin’ny mpitandro ny filaminana dia marihina fa efa nigadra noho ny resaka fanolanana ihany koa ity lehilahy ity ny taona 2012.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici