Efa lasa fahazaran’ny lehilahy sasany ny fihinana fanafody mampatanjaka, alohan’ny hanaovana firaisana ara-nofo, na hanao fampiasam-batana be loatra, nefa efa maro izay maty noho ny fihinanana izany teto Toamasina izay, saika olona efa nahazoazo taona avokoa. Tao amin’ny tranon-dopy iray tao Morafeno, lehilahy iray 38 taona manam-bady aman-janaka eo no hita faty tao anatin’ny efitrano nofainy nitondrany ny sakaizany. Nifanarahan’izy roa, fa ny sabotsy alina no miara-matory tao amin’ity efitrano nofaina ity, fa ny alahady vao samy mamonjy ny fodiany avy. Tao anatin’izay anefa mba hahazoana hery tamin’ny firaisana ara-nofo nataon’izy roa, dia nihinana fanafody ilay lehilahy. Indrisy anefa fa fahafatesana niseho ,satria nijanona tampoka noho ity fanafody nohaniny ity ny fon’ilay raim-pianakaviana. Ny fanazavan’ilay tompom-bady no nahalalana fa nihoatra ny fetra tokony ho nohaniny no nohaniny ka izao niteraka ny fahafatesany izao. Raha maty tao anaty efitrano niarahan’izy ireo anefa ilay lehilahy dia nitsoaka ilay vehivavy niaraka taminy ka tsy fantatra ny momba azy, izay tsy fanarahan-dalana ho an’ny tompon’ilay tranon-dopy ihany ny zava-misy, satria tsy voasoratra tao anatin’ny boky firaketana izany ilay vehivavy niaraka tamin’ilay lehilahy maty ity nandritra ny fiarahan’izy ireo.
Malala Didier