- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Lehilahy saika hangalatra 4x4, voasambotry ny polisy

Toamasina : Lehilahy saika hangalatra 4×4, voasambotry ny polisy

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona indray no nosamborin’ny polisy ny alahady teo tao Toamasina noho ny resaka fikasana fangalarana 4×4. Voalaza fa nampanamboarana « retroviseur » ity farany izao nitsoaka niaraka tamin’ilay fiara izao. Taorian’ny fampandrenesan’ny tompony ny fahaverezan’ny fiarany tamin’ny polisy dia nanomboka ny fitadiavana ity farany. Vokany : tra-tehaka tao amin’ny bazary kely ihany ilay lehilahy niaraka tamin’ilay fiara voalaza fa nokasainy hangalarina. Manoloana izany anefa, tsy vitsy tamin’ireo mponin’i Toamasina no nanamarika fa mety ho resaka tsy nifankahazo fotsiny izao nahavoasaringotra ity lehilahy ity izao. Maro tamin’ireo mponin’i Toamasina no nanamarika fa lehilahy mpanaja ny asany io lehilahy voasambotra io ka tsy azo heverina ho nahavita izany zava-doza izany. Raha ny fanazavana nentin’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga tokoa mantsy dia voalaza fa ny tsy fisiana « parking » hanamboarana ilay fiara no tena antony nahatonga an’ity lehilahy ity nanakisaka ilay fiara tany amin’ny toeran-kafa, izay tsy lavitra teo akory, saingy noho ny tsy fahitan’ireo tompony ny fiarany no niteraka ahiahy ho azy ka tonga hatrany amin’ny fampiantsoana polisy. Tsiahivina fa mpanao « fibre de verre » sy plastika eo Tanamakoa ity lehilahy ity. Efa notazomina eny amin’ny biraon’ny polisy ao Bazary kely ity lehilahy ity hanaovana ny fanadihadiana ny tena zava-nisy marina. Andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici